MAHALEO
                                            Le tourisme à Madagascar, de Nosy be à Nosy boraha, est la passion de votre madamaki.com    
  Madagascar tribune      L'Express     Lagazette      Midi      Les Nouvelles      Sites touristiques    Culture    Tourisme à Madagascar   Recette malgache                                                       Infos pratiques  Forum   Shopping     Navette aéroport   Petites annonces    Liens  
 
 
 
 
   
    MAHALEO
Tsy vita hatramin’ny farany ilay rindrankira lehibe niarahana tamin’ny tarika Mahaleo ny asabotsy farany teo. Tamin’ny efatra ora sy fito ambin’ny roampolo minitra maraina dia nanome baiko ny polisy ny hanatsaharana ilay fety gasy. Tankiny ny rehetra saingy tsy nisy azo natao fa dia rava ny tsena.
Nizara efatra ny lanonana ka teo amin’ny fizarana farany no tena nangotraka, rehefa mangotraka moa dia mazava ho azy fa mamaky takotra, toy izany no zava-niseho tao amin'ny trano fanaovam-petin’i Firat Dugun Salonu. Nanakoako nanerana ny tanànan’ i Corbeils Essonne ny feon’ireo malagasy roanjato sy arivo, teo ho eo, tonga niara-nihira tamin’ny tarika mahaleo, tarika tsy lefy laza ary tsy mety adino na dia efa dimy ambin’ny telopolo taona nisiana aza.
Kianjan’i Bercy na ny Stade de France no mendrika ny tarika Mahaleo ry Nenibe fa raha itony Firat Dugun Salonu ao Corbeils Essonne dia tsy ampy ho tsofiny fa manimba sofim-bazaha matory fotsiny.
Toa an’i Sobika.com sy madagate.com dia nantsoin’ny « Media Consulting » sy « Madagac'Art Développement » i madamaki.com hiara-niasa tamin’izy ireo. Noho izany dia indro atolotray anareo ny fitantarana an-tsary tamin’io fotoana io.     Nono madamaki.com
 
 
 
 
 Nangotraka ny lanonana tao amin'ny ny trano fanaovam-petin’i Firat Dugun Salonu.
                               Tarika tsy lefy laza: ny tarika Mahaleo.
   Tarika tsy tsy mety adino na dia efa dimy ambin’ny telopolo taona nisiana aza.
     Nizara efatra ny lanonana ka teo amin’ny fizarana farany no tena nangotraka.
                                        Accueil                Suivante
                                            www.madamaki.com
 
                Google                  
 
 
 
     

 

 
 
          Classement de sites - Inscrivez le vôtre!            
                               Copyright © madamaki.com 2004  Accueil  /  Contact  /  Forum  / Tourisme Culture  /   Recette malgache